Winamp Logo
Podcast pour la page RJL : une page qui apporte des réflexions en matière de spiritualité. Cover
Podcast pour la page RJL : une page qui apporte des réflexions en matière de spiritualité. Profile

Podcast pour la page RJL : une page qui apporte des réflexions en matière de spiritualité.

Malagasy, Religion, 2023 seasons, 137 episodes, 4 days, 21 hours, 55 minutes
About
Chaîne podcast pour la page facebook RJL - diffusion et archivage des vidéos au format audio.
Episode Artwork

[CA] DÉMONOLOGIE

Tsy dia resahina loatra izy ity fa andao ho resahintsika anio ny mahakasika ny hoe : demoniaka, asan'ny maizina, fanahy ratsy, fitarihan'ny devoly ny olona sns ... Inona no atao manoloana izany rehetra izany ?
8/16/20231 hour, 18 minutes, 13 seconds
Episode Artwork

[HP] ENJEU ÉLECTORAL 2023, GUERRE DE COMMUNICATION NEFA KOA PIRATAGE INFORMATIQUE

GUERRE DE COMMUNICATION : samy fanaon'ireo ankolafy samihafa ny manarama ekipa manokana hamafy marina na tsy marina amin'ny tambazotra. Manampy trotraka ny fitongilanan'ireo haino amanjery ofisialy ka dia izay hita ao amin'ny fesiboky no avy hatrany dia raisin'ny olona. PIRATAGE INFORMATIQUE : cinéma sa tsia ? Tsy any ny olana fa fomba fiady daholo izany Kanefa na izany na tsy izany dia tafiditra tanteraka isika ao anatin'ny rivodozan'ny révolution numérique koa dia samia mandray ny andraikiny.
8/11/20231 hour, 36 minutes, 50 seconds
Episode Artwork

[HP] FIFIDIANANA 2023 ??? TSIAAAAAAA. FANOVÀNA NY RAFITRA ALOHA ??? ENYYYYYY.

MIOMBON-KEVITRA tanteraka amin'i Andriamatoa Laza RAZAFIARISON ny tenako RJL ny amin'ny Mila hanovàna ny Rafitra aloha Vao miroso amin'ny FIFIDIANANA satria raha terena ho atao io Dia toy ny takompery ihany ... Ny nana misy ny aretina mbola ao ihany fa ny ivelany no mody hoe sitrana SAINGY ny fanontaniana mipetraka dia Iza no hametraka izany fanovana Rafitra izany Ary amin'ny fomba manao ahoana ????
7/28/20231 hour, 6 minutes, 7 seconds
Episode Artwork

[CA] NY HEVITRY NY FAHAGAGANA AO AMIN'NY SORATRA MASINA ? (LE SENS DES MIRACLES)

Dradradradraina etsy sy eroa ny hoe aty aminay hisy fahagagana miezinezina, hisy fanaovana fahagagana 3 andro misesy fa tongava, hanao fahagagana ho anao ny Tompo fa vonjivonjeo sns ... Mahavariana sy mampalahelo ary mampatahotra ny mahita ireny etsy sy eroa. Ny olona rahateo sady sahirana no very hevitra manoloana ny fiainana sy ny zavatra atrehina ka mitady fahagagana sisa no azo atao.
7/26/20231 hour, 20 minutes, 46 seconds
Episode Artwork

[HP] NY FANABEAZANA NO TANIMBOANJON'NY MPANAO POLITIKA

HAMPIANARINA HO LASA INONA NA ATAO INONA NY ZANAKA MALAGASY ? Rehefa mpanao politika dia samy midradradradra avokoa fa NY TANORA NO HO AVIN'NY FIRENENA. Kanefa Dia iaraha-mahita fa POTEHINA TSY HANANANA ANTRA ny zanaka Malagasy ary TOMPON'ANTOKA amin'izany ny mpanao politika REHETRA TSY ANKANAVAKA. Tandremo ry Ray amandreny sy vahoaka Malagasy fa ireny FIHETSEHAM-PONTSIKA omaly nanoloana ny zava niseho ireny no tazanin'ireo mpanao politika sy ireo mpirotsaka rehetra ho varavarana misokatra hidirany handrafetany sy handaminany indray izay hahafany hampanantena volana sy kintana ho antsika. Mila fahamailona mandrakariva ka aza ny fietseham ponao no hanakinanao ny ho avin'ny taranaka rahampitso. MANDINIA TSARA, SOKAFY NY MASO, SOKAFY NY SAINA, AMPIRIMO NY FIHETSEHAM-PO... fa aza mihinana ambolony sy mandrapaka avy hatrany izay lazaina sy aroso ho anao.
7/21/20231 hour, 28 minutes, 48 seconds
Episode Artwork

[CA] FIAINAM-PANAHY MANDEHA TSY VOIZIN'NY TEOLOJIA NO LOHARANON'NY '' FANATISME '' (SPIRITUALITÉ ET THÉOLOGIE)

Fahavoazan'ireo fiangonana lazaina fa mifoha ny tsy misy fototra ara-teolojia fa hafanam-po fotsiny ihany ka hatahorana hivaona. Etsy andaniny anefa, ireo fiangonana sarotiny amin'ny fampianarana madio tsy misy kilema izay tsy misy aim-panahy dia lasa tsy mahasarika ny olona hanaraka izany ka tsy mahagaga raha misafidy izay marevaka sy manaitaitra azy FOTSINY IHANY ny ankamaroan'ny olona.
7/19/20231 hour, 32 minutes, 42 seconds
Episode Artwork

[HP] HATRAIZA NY '' LIBERTÉ D'EXPRESSION '' AMIN'NY FAHITALAVITRA ?

AIZA NA IZA NO TOKONY HANARA MASO IREO MISORATENA HO MPAMINANY IZAY MITERA-DOZA EO AMIN'NY FIARAHA-MONINA ?INONA NO ASA ARY ATAO INONA NY '' CYBERCRIMINALITÉ '' ?
7/14/20231 hour, 8 minutes, 47 seconds
Episode Artwork

[HP] PARTI POLITIQUE SANS LIGNE POLITIQUE

Ny eto @ tanàna dia izay malaza sy mahoraka no mamaritra ny tendance na ny rivotra mitsoka. Hijanona ho nofy mandrakariva ny faniriana mba hahita indray andro any hoe inona marina no LIGNE POLITIQUE pragmatique azo raisina? Fa ny antsika dia tsotra ny fond de commerce ho @ fifidianana dia na vola mazava ho azy na koa tsy fahombiazan'izay nitondra teo aloha. Hany ka ny ahiana dia ho lany PAR DEFAUT izay ho avy eo satria raha hisafidy entre la peste et le cholera dia tsy misy safidy malalaka. Fahasorenana amin'ny olona hafa fotsiny ihany no hisafidianana olona iray hafa.
6/30/20231 hour, 4 minutes, 19 seconds
Episode Artwork

[CA] MPANARAKA AN'I KRISTY HOE ?

MODELY VE IZANY IZY SA INONA ? TSIA : TSY MODELY VELIVELY KRISTY...
6/28/20231 hour, 22 minutes, 35 seconds
Episode Artwork

[CA] IREO PARADOXES AO AMIN'ANDRIAMANITRA

- Jakoba tiako fa Esao halako hoy Izy .... Nefa lazaina fa Tia ny olona rehetra Izy - Tsy sitrany ny hahafatesan'ny ratsy fanahy nefa voalaza koa fa matahora izay manam-pahefana manary any amin'ny helo - Voasoratra ao amin'ny teny folo ( didy folo ) ny hoe : aza mamono olona nefa Izy nandringana an'i Sodoma sy Gomoro - sns ... 👉 Miangatra Ary ve zany Andriamanitra ? 👉 Ary tena fitiavana tokoa ve Izy ? 👉 Koa tsy manana ny rariny ve raha zany ireo olona misafidy TSY HINO AZY raha zany no jerena ?
6/21/20231 hour, 35 minutes, 7 seconds
Episode Artwork

[CA] AIZA HO AIZA NY FIPETRAKY NY MAHA OLONA (CÔTÉ HUMAIN FA TSY ARA-NOFO AKORY) ?

Fiteny matetika ny hoe : TSY AZO ATAO na TSY MENDRIKA ny izao sy izao ... Atao sorona mihitsy na ny '' côté humain '' aza.
6/14/20231 hour, 18 minutes, 54 seconds
Episode Artwork

[HP] JUDO, KARATÉ, KUNG FU... VS INSÉCURITÉ, IMPUNITÉ : TSY AZOKO INTSONY... FA AHOANA ?

Maromaro ny karazana Hay ady misy eto Madagascar Ary manana olobe mahay an'izany isika . Samy milaza azy ho dadany avokoa. Hatreto anefa Dia toa malaza tsy hihinanana ohatry ny vilian-tsahona izany fa arakaraky ny hananana izany no vao maika mampirongatra ny tsy fahandriam-pahalemana. Vono atsy, vono olona aroa. Voavely bois rond atsy , votsindrona antsy aroa , voadahalo atsy voaendaka aroa sns ... Ny fiparitahan'ny basy izay natokana ho an'ny mpitandro filaminana manampy trotraka fa manana avokoa na bodo na Adala . Na eny andalana , Na anaty bus na mijanona ao antrano Dia fitaintainana lava no hiainana satria dia na mandeha na mijanona Dia manaloka foana RAFAHAFATESANA . Tsy misy henatra sy tahotra intsony fa andro atoandro be nanahary Dia efa manao ny asa ratsiny ny mpanao ratsy . Tsy mifidy na Zaza amim-behivavy , na antitra na tanora Ary ny tena Loza aza Dia misy lasa fahafinaretan'ny sasany fotsiny ny manapitra ain'olona . Aiza ny tompon'Andraikitra ? Sao de tokony avadika PLAN D'ACTION ny KATA sy ny FAMPISEHOANA HOZATRA ary NY ANARANDRAY MALAZA NOLOVAINA TAMIN'NY KUNG FU fa tsy hajanona ho fampiratiana sy fifampiderena fahaizana fotsiny ? Hilalao ve isika sa hiasa eeee ? Tsy fahafinaretan'ny maso hijery ny fahaizanareo no ilaina fa filaminantsainan'ny Malagasy . SAO MBA DISO CIBLE ?
6/9/202346 minutes, 39 seconds
Episode Artwork

[CA] CONVERTI HOE E?

Manana an'i Jesosy HONO ... Fandre matetika ny hoe '' manana an'i Jesosy aho '' , '' nandray an'i Jesosy aho '' sns ... CONSACRÉ sa CON - SACRÉ ? Ahoana no hevitr'izany ? Ny fanoloran-tena ve no fepetra maha OLOMBAOVAO sa ny maha OLOMBAOVAO no mitarika ho amin'ny fanoloran-tena ? Eto no misaraka ny lalantsika SAMY PROTESTANTA... ka aiza no misy anao ?
6/7/20231 hour, 16 minutes, 43 seconds
Episode Artwork

[CA] NY MAHAKASIKA NY FIJOROANA VAVOLOMBELONA

Maro be ireo olona mijoro VAVOLOMBELONA ny amin'izay '' naseho '' na '' nataon' Andriamanitra '' azy ireny HONO... Samy milaza izay fisehony (nofy, Fahitana, fahatoranana, sns.), samy manana ny fomba fitantarany (nahita afobe, nahita anjely, nahita paradisa, nahita an'i Jesosy, sns.) Ahoana no hanavahana azy ireny ? Ahoana no hahaizana mizaha toetra ny Fanahy ?
5/31/20231 hour, 6 minutes, 43 seconds
Episode Artwork

[HP] THÈME : RAHOVIANA NA REHEFA MANAO AHOANA VAO TOKONY HANAMBADY ? IZA SY IZA IHANY NO MAHAZO MIFANAMBADY ?

Maro bé ny olona mangataka fampianarana sy fanazavana mahakasika io Lohateny Io Ary mametraka karazana fanontaniana mahakasika azy io toy ny hoe : 👉 Firy taona no sahaza manambady na Vao afaka manambady ? Matetika mantsy heno foana ilay hoe efa tokony hanambady , tara loatra na lasa aloha loatra sns ... 👉 Afaka mivady ve ny olondroa tena mifankatia nefa samy hafa finoana mihitsy ? Tsy samihafa dénomination fa samihafa finoana ( kristianina , athées, silamo , traditionalistes, bouddhiste sns ... ) 👉 Maninona no vehivavy madio foana no lazaina fa mendrika Alaina vady ? Ahoana izany ireny nisy nanolana ireny ? Ireny mère célibataire ireny ? Ireny Maty vady reny ? Tsy mendrika vadiana intsony vé izany izy ireny ? 👉 Maninona no vehivavy foana no terena hanao virijiny Vao hoe mendrika Alaina vady izany fa nahoana ny lehilahy no tsy mba afaka mitahiry ny tenany ho virijiny fa mandravarava zanak'olona nefa tsy mba asiana Resaka toy ny vehivavy ? Sa ve rehefa vehivavy Dia Fahotana fa rehefa lehilahy Dia Mariky ny hery ? 👉 Maninona no tsy ankasitrahan' ny olona matetika hoe zandrin' vehivavy ny lehilahy ? Manandanja be ve ny elanelan-taona eo amin'ny mpivady ? 👉 Maninona no tsy maintsy hoe samy kristianina foana no tsy maintsy mifanambady rehefa kristianina ny Ray amandreny ? Misy aza raha vao tsy kristianina ao aminy ihany no mifanambady Dia voaroaka tsy ho mpivavaka ao intsony fa nahoana ?
5/19/20232 hours, 45 seconds
Episode Artwork

[CA] NY FAHAFOIZANA HO AMIN'NY ASAN' ANDRIAMANITRA

CATÉCHISME D'ADULTE 17 mai 2023 Possible vé hoe misokatra ny poketra fa mihidy ny fo ? Na misokatra ny fo fa mihidy ny poketra ? Ny vola ve mitaky asa sa ny asa no mitaky vola ? Sujet tabou izy ity saingy tsy maintsy ho resahana satria io Resaka vola io dia sady saropady no manahirana ao anatin' ny fiangonana na fikambanana kristianina na amin'ny asan' Andriamanitra .
5/17/20231 hour, 24 minutes, 22 seconds
Episode Artwork

[HP] ADDICTION ET ILLUSION PORNOGRAPHIQUE

HONO HOY AHO PASTEUR? (12 mai 2023) Marobe ireo karazana addiction mahazo ny olombelona ary anisany ny addiction amin'ny fijerena porno. Marobe ireo message azo mendrika fitarainana, fanontaniana, fangatahana vahaolana sns... azo taminareo mpanaraka ny pejy mahakasika azy io. Toy izao no sombiny amin'ireo karazam-panontaniana nalefanareo : Mahazo mijery film porno ve ny mpivady ? Fahotana ve ny fijerena porno raha tsy mbola manambady ? Fahotana ve ny mamerina Zavatra hita amin'ny porno amin'ny olontiana na vady ? Maninona no voasarika manao ''masturbation '' raha vao mijery porno ? sns.
5/12/20231 hour, 21 minutes, 5 seconds
Episode Artwork

[CA] VOCATION, MINISTÈRE , ANTSO

VOCATION, MINISTÈRE , ANTSO : Inona no maha samihafa azy ireo ? Aza afangaro.
5/10/20231 hour, 42 minutes, 45 seconds
Episode Artwork

[CA] Mety hilaozan'ny Fanahy Masina ve ny mpino iray ?

CATÉCHISME D'ADULTE 26 avril 2023
4/26/20231 hour, 5 minutes, 34 seconds
Episode Artwork

[HP] FAMONOAN-TENA EO AMIN'NY TANORA ( SUICIDE DES ADOS ET DES PRE-ADOS )

Miha-mitombo ny TANORA mamono tena ... Ankoatra ny olana aram-pitiavana dia tena misy ny antony hafa izay TSY SAHINTSIKA resahana noho ity farany somary manahirana. Inona no mahatonga izany ? Inona no tokony ho vahaolana ? Iza no tokony tompon ' andraikitra ?
4/21/20231 hour, 36 minutes, 27 seconds
Episode Artwork

RAY O ? NAHOANA NO DIA MAHAFOY AHY IANAO ??

Herinandro Masina -- Zoma Masina 7 avril 2023.
4/7/202334 minutes, 38 seconds
Episode Artwork

KAPOAKY NY FANEKENA VAOVAO AMIN'NY RAKO - Alakamisy Masina 6 avril 2023

HERINANDRO MASINA 2023 Alakamisy Masina 6 avril 2023
4/6/202358 minutes, 32 seconds
Episode Artwork

[CA] Ny maha voafetra ny olombelona : lesoka sa natiora?

La finitude de l'Homme : faille ou identité? Tohin'ny lesona mahakasika ny olana fototry ny Zanak'olombelona.
1/18/20231 hour, 2 minutes, 43 seconds